ActualitésTatitra

Maurice : Tafiakatra 750 645 ny mpitsidika ny nosy

Tafiakatra 750 645 ny mpitsidika ny nosy Maurice teo anelanelan’ny volana janoary sy tapaky ny volana aogositra. Nisarika mpizahatany 53 760 isa indray ny nosy ny fiandohan’ity volana ity hatramin’ny faha-15n’ny volana teo. Niakatra 12% izany raha oharina tamin’ny taon-dasa raha ny fanamafisana.

Tamin’ny vanim-potoana toy izao tamin’ny taona 2022 dia 517 266 isa ny mpitsidika ny nosy. Ho an’ity taona ity kosa dia mbola ny mpitsidika avy France no maro an’isa tonga ao amin’ny nosy izay mahatratra 184 165 ; 85 753 kosa ny avy ao La Réunion ; 81 955 ny avy ao Royaume-Uni ; 61.352 avy ao Allemagne ; 57 283 avy ao Afrique du Sud ; 34 892 avy ao Inde ; 27 543 avy amin’ny firenen’ny Moyen-Orient ; 17 067 avy ao Suisse ; 16 912 avy ao Italie ary 11 152 avy ao Autriche.

Laisser un commentaire