France : Lehilahy iray nitory ny hopitaly taorian’ny nahafaty ny vadiny
Ny 04 janoary no tonga tao amin’ny hopitaly Bourgoin-Jallieu, any Lyon, mba hitsabo ny ratra tamin’ny ratsa-tongony i Cathy, 61 taona, ary tsy tafaverina velona tany an-tokatranony intsony. 11 andro talohan’ny nahafatesany, dia tsy nahatsiaro tena tao amin’ity hopitaly ity izy, izany hoe tao anaty « coma ». Araka ny nambaran’ny vadin’ity ramatoa ity, dia nihetsika aretim-po izy, saingy tsy nisy ny fandraisana an-tanana azy, nataon’ireo mpitsabo. Ankoatra izay, tsy nihaino ny fitarainana sy ny fiangavian’ity rangahy ity, amin’ny tokony hikarakarana ny vadiny, ihany koa ireo mpitsabo na dia efa niandry fotoana ela aza. Ity vadiny ity izay nanana olana tamin’ny taovam-pisefona, ny fo ary ny aty ; ankoatra ireo manana olana ara-batana ihany koa ity farany. Tsy manan-janaka, ary samy efa nahazo taona izy ireo ka nahatonga ity rangahy ity niady mafy amin’ny fikarakarana ny vadiny. Noho izany, napetraka fitoriana an’ny hopitaly izy no ny fomba fiasa sy ny tsy firarahiana ireo marary.
