Singapour : Seranam-piaramanidina isany tsara indrindra i Changi
Seranam-piaramanidina ao amin’ny tanànan’i Singapour i Changi. Misy « terminaux » telo ao aminy izay ampifandraisina métro. Mifandray amin’ny « terminal » iray an’orinasa hafa ambany sarany kokoa ihany koa izy. Namboarina handray ny Airbus A380 ny seranam-piaramanidin’i Changi. Ivon’ny seranana nasionaly Singapore Airlines izy izay nampiasa Airbus A380 miisa 19 nanomboka ny volana jona 2017.
Voasoakajy ho seranam-piaramanidina tsara indrindra eran-tany i Changi. Milamina sy tony ny rivo-piainana ao aminy ary milafika « moquette » tsy tateram-peo milokoloko ny gorodony. Ankoatran’ny toeram-pivarotana hita amin’ny seranam-piaramanidina rehetra dia ahitana riandrano ao amin’ny seranam-piaramanidin’i Changi, dobo filomanosana, fanorana tongotra, toeram-pijerena horonantsary maimaimpoana, rano misy trondro hafakely, zaridain-dolo ary zava-maniry « orchidées ».
