ActualitésTsidika

Lalam-be migodana : Hanomboka ny tetik’asa

Manomana ny fanatanterahana ity tetik’asa lehibe ity ny fitondram-panjakana mba hahafahana manatratra ny fampandrosoana an’i Madagsikara izay nahitana fahatarana. Ity lalam-be migodana (autoroute) ity izay hampitohy an’i Antananarivo amin’ny Toamasina ka vinavinaina ny hahafahana mamaita ity lalana ity ao anatin’ny ora vitsy fa tsy adiny 10 toy nyn taloha intsony.

« Handalo ny faritra Analamanga, Alaotra Mangoro ary Atsinanana ny fanamboarana ity lalam-be migodana ity ka ireo ampahan-tany voakasika dia ho alain’ny fanjakana Malagasy, na amin’ny alalan’ny fifampiraharahana amin’ny tompony (acquisition par voie amiable), na amin’ny alalan’ny fanesorana noho ny tombontsoam-bahoaka (expropriation pour cause d’utilité publique) raha tsy mahita fifanarahana amin’ny tompony », hoy ny fiadidiana ny tanàna vaovao eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

« Mety hoe ilaina ny fanamboarana ity lalana ity, na dia hamoahana ny vokatra avy any amin’ny faritra mba ho tonga ara-potoana fotsiny aza fa saingy mbola tsy dia hinoako loatr hoe laharam-pahamehana izany. Tsy tokony ity vidim-piainana ity ve no hamboarina aloha. Mety hitondra amin’ny fampidinana ny vidim-piaianana ihany io aloha eh, tsy fantatra », hoy i Tendry, mpianatra momba ny toe-karena.

Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny « Plan Emergence Madagascar » ity tetik’asa ity. Ny antenaina dia ny mba hahataneraka izany teny izany hoe hisy ny fampandrosoana vetivety tokoa avy amin’ity tetik’asa lehibe iray ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire