Fitakiana ny Nosy Manodidina : Mihemotra hatrany ny fihaonana handinihana izany
Nandritra ny fivoriana nahakasika ny fandraisana fanapahan-kevitra ny amin’izay tokony ho tompon’ireo Iles Eparses ireo ny taona 2019 dia tsy nisy zavatra tapaka fa rava maina izany fivoriana izany. Taorian’izay, ny taona 2020 dia nivahiny tany Parisn ireo delegasionina Mlagasy hitaky izany tany izany saingy tsy nisy zavatra tapaka ihany koa. Raha tokony ho ity volana oktobra ity no nanatanterahana izany dia toa nadinoina indray izany ka nisy daty vaovao nivoaka indray fa ny volana oktobra ho avy izao indray izany no ho tanterahina any Paris.
Nanazava ny avy tao amin’ny ministeran’ny raraham-bahiny : « ity fihaonana faharoa ity no andrandraintsika fa tsy maintsy tanterahina ary ezahana ahazoana valiny na fifanarahana mba hampitony ny Malagasy rehetra, hanao izay fara herinay izahay manoloana izany ». Manahy ny amin’ny mety ho tsy fahatomombanana na tsy fahazoana ireto Nosy Manodidina ireto kosa ny Malagasy sasany. « Raha mihemotra tahaka izao foana izy io dia mampatahotra ihany ny tsy hisiany sy ny tsy ahazoantsika ireo tany ireo fa harirariran’ireo olona ireo fotsiny » hoy Jacqueline, mpampianatra Tantara amin’ny lycée.
Safidy roa no mety ho an’ny Madagasikara amin’ity fitakiana ity, na ho azontsika ireo tany efatra ireo na hiketrehana tetik’asa iaraha-mitantana amin’ny frantsay. Ity farany ity izy tena tsy tokony ahatongavana mihitsy.
Miora Raharisolo
