Alasora : Mangataka ny fitoviana eo amin’ny asam-pampandrosoana ao amin’ny kaominina ireo mponina amin’ny fokontany sasany
Managataka ny fitoviana eo amin’ny asam-pampandrosoana misy ao anatin’ny kaominina Alasora ireo mponina avy amin’ny fokontany sasany toa ny fokontany Mahatsinjo, Ankady, Antanetibe ary Ambohidrazaka sy ny manodidina. Mahatsiaro tsy voakarakara izy ireo mitaha amin’ireo fokontany hafa ao anatin’ny kaominina.
« Eo amin’ny fikarakarana toa ny fametrahana jiro sy ny fanamboaran-dalana no tena angatahanay satria tena maizina ny tanàna ka tokony hisitraka izany avokoa ny fokontany rehetra, ny mponina no mijaly manoloana ny tsy fahandriam-pahalemana » hoy i Juliette, mponina amin’ny fokontany Ankady.
« Tokony hahazo ireo fanomezana, na hisitraka ireo tetik’asam-pampandrosoana mitovy avokoa ny fokontany mandrafitra ny kaominina iray. Ao anatin’ny kaominina izany tsy tokony hisy tombo sy ala. Anjaran’ny eny anivon’ny fokontany ihany koa anefa no manao filzana na mangataka, mitondra ny hetahetan’ny mponina eny amin’ny kaominina raha mitady fampandrosoana ao amin’ny fokontany na kaominina misy azy » hoy i Tatiana, mpianatra mikasika ny lalàna.
Manoloana izany, manana anjara lehibe avokoa na ny mponina na ny tomponandraikitra eny amin’ny fokontany raha mitady fampandrosoana ho an’ny fokontaniny. Miainga avy eny ifotony tokoa ny fampandrosoana ary tsy vitan’olo-tokana fa tsy maintsy mila ny fandraisan’anjara ny olona tsirairay.
Manitra Ramanantsoa
