ActualitésTsidika

Ankadinandriana : Tontosa soa aman-tsara ny hetsika fampisakafoana an-tsekoly

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika fampisakafoanana an-tsekoly, izay nataon’ny antoko Malagasy Miara-Miainga, tao amin’ny EPP Andraravola, kaominina Ankadinandriana. Tratra ny tanjona napetraky ny antoko, tamin’ny fanatanterahana ny hetsika, araka ny voalaza.

«Ny EPP Andraravola no nisitraka izany tamin’ity andiany voalohany ity, sekoly ahitana mpianatra miisa 130. Nifarana tamin’iny volana Martsa iny izany fanomezana sakafo any an-tsekoly izany. Satria efa miditra ny fotoanan’ny fararano ny ety ambanivohitra manomboka ny volana aprily » hoy ireo avy amin’ny fikambanana.

« Tratra ny tanjona napetraka teto satria tsy nisy nanapaka ny mpianatra na iray aza nandritra ny fotoam-pahavaratra,niakatra ihany koa ny fahazotoana sy fahaizan’ny mpianatra. saorana hatrany ireo mpiara miombon’antoka rehetra hoan’ny taranaka afahan’izy ireo miandrandra hoavy mamiratra» hoy hatrany ny fanazavana.

Zava-dehibe tokoa, tsy ho an’ny mpianatra sy ny sekoly ihany fa ho an’ny ray aman-dreny ihany koa ny hetsika tahaka izao. Anisan’ny manala fahasahiranana no mamporisika ny annkizy andeha an-tsekoly izany, ity farany izany tanjona napetraky ny antoko.

Laisser un commentaire