SocialTatitra

Maurice : Efatra no maty ary maherin’ny 4000 ireo trangan’aretina nentin’ny moka « dengue » tao anatin’ny telo volana

Araka ny tatitra navoakan’ny ministeran’ny fahasalamana ao Maurice, tamin’ny volana martsa iny, nahatratra 452 ny isan’ireo voan’ny Dengue, tao an-toerana, raha toa ka 192 koasa no voa tao Rodrigues. Raha atambatra ireo tranga niseho tamin’ireo firenena roa ireo tao anatin’ny telo volana, dia nahatratra 4244 ireo trangana « dengue », izany hoe nanomboka ny 11 desambra 2023. Tao anatin’izany, olona efatra no namoy ny ainy vokatry ny tsimoka’aretina nentin’ity moka ity. Ao  amin’ny faritr’i Port-Louis  sy ny faritra avaratry ny nosy no nahitana tranga betsaka tamin’ity tranga ity saingy efa manomboka miparitaka amin’ny faritra maro ao an-toerana izany ankehitriny. Ny tazo entin’ity moka ity izay mora miparitaka, indrindra amin’ny alalan’ny kaikitry ny moka.

Laisser un commentaire