Mandritsara : Tatitra noho ny fahafatesan’ny biby ao an-toerana
Tao aorian’ny fiparitahan’ny resaka fahafatesan’ny biby ao amin’ny distrikan’i Mandritsra dia nanao fanambarana ny tompon’andraikitra ao an-toerana ary nilaza izany am-pahibemaso.
Maro ny resaka niparitaka indrindra tamin’ny tamba-jotran-tserasera fa misy aretim-biby miparitaka ao amin’ny distrikan’ny Mandritsara, ka maty mihitsy ny sasany amin’ireo biby, isan’ny lasibatra amin’izany ireo biby fihinan-kena toy ny kisoa sy ny omby ka mampihena azy ireo mihitsy izany.
Nisy omby maty ho azy tao amin’ny kaominina Andohajango efa herinandro vitsivitsy izay, tratran’ny haromontana io omby io ary voatery tsy maintsy nalevina mba hisorohana ny mety hifindran’ny haromotana amin’ny olombelona » hoy i Fanja, tompon’andraikitra ao an-toerana.
« Tato ho ato kosa, misy omby marary sy maty ho azy ato an-toerana, marary tongotra na mivalan-drano misy rà, efa nisy ny fitiliana ny aretina FVR sy clostriodiose fa samy samy nihiba (negative) avokoa ny valiny. Izany hoe tsy aretina no mahazo ireo omby ireo fa noho ny ahitra maina sy faharatsian’ny rano, azo antoka fa ho foana io rehefa tong any orana » hoy ny Dokotera Veteriniera Joharivelo Rivo.
Azo lazaina ho maromaro ihany izay trangan’aretin’omby tato ho ato izay, ilàna fanaraha-maso manokana koa ny fahasalaman’ireny biby ireny fa tsy ny kavina ho azy ihany akory no mahamaika, ny minisitry ny fiompiana no tokony hidina an-tseahtra hijery an’izany akaiky ary tokony tsy havela hiady irery ny tantsaha mpiompy fa mila atoro ko izy mba hahaizany hikolokolo ny biby fiompiny » hoy i Ernest, teknisianina amin’ny fambolena sy fiompiana.
Maha-Madagasikara an’ny Madagasikara ny fanana biby fihinan-kena ohatr’ireny mbola maro, azo lazaina ho tsy ampy anefa ny fanaraha-maso azy ireny tato ho ato, ary somary tsy zarizary mihitsy. Vao tonga izao ny omby nafaràna avy tany ivelany ka tsy hay hoe nahita omby vaovao avy any ivelany indray ve dia tsy ho rarahiana ny eto an-toerana ?
Lovasoa Tojonirina
