Andranomanelatra : Tafapetraka ao amin’ny ivotoerana Fifamanor ireo omby miisa 165 izay nafarana avy any ivelany
Tontosa soa amantsara ny 8 oktobra 2021 ny fametrahana ireo omby vavy be ronono miisa 165 ao amin’ny Fifamanor Andranomanelatra. Io toerana io no toerana hanaovana fitokana-monina na « mise en quarantaine » mandritra ny 35 andro. Miova toe-tany moa ireto biby ireto ka noho izany dia misy ny teknisianina avy ao amin’ny sampandraharaha misahana ny biby mba hanara-maso ny fahasalamana.
Ny 5 oktobra 2021 lasa teo tokoa no nahatongavan’ireto omby vavy be ronono avy any France ireto teny Ivato mba ho tsinjaraina amin’ireo tanora misitraka ny tetik’asa « Titre vert ». Teny an-toerana ny i Andry Rajoelina tamin’io fotoana io ary nambarany fa tafiditra tao anaty velirano nataony ny fanampiana ny tanora sy ny tatsaha, mba hanampy amin’ny fivelomana.
« Mampalahelo ny mpiompy sy tantsaha Malagasy, sady hafa ihany anie izany vokatra Malagasy izany » hoy i Mitia. « Tsara kosa aloha ny fanafarana ireto omby ireto satria manampy ny tanora toa anay mba hahatanteraka ny nofinofinay sy ho fampiarana ny fianarana izay norantovina ary koa mba ho fidiram-bola maharitra » hoy i Tovo, isan’ireo nisitraka ity tetik’asa ity. Nilaza ny sekretera mpanatanteraka ny tetik’asa Fihariana, Zafindrazaka Valerie : « Averin’ireo mpisitra tsikelikely ny tetik’asa «titre vert» ny saran’ny omby ».
Araka ny fantatra dia mahatratra 25 ka hatramin’ny 30 litatra isanandro ny ronono vokarin’ny omby vavy iray. Santatra ihany moa ity fanafarana omby ity fa mbola hisy ny ombivavy anarivony hafa ho entina sambo. Hisy moa ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo samy mpiompy mba hitadiavana izay mahatsaratsara ny asa.
Seheno Randrianirina
