Ny tantaran’Ambatolampy
Tanàna iray tsy lavitra ny renivohitr’i Madagasikara i Ambatolampy, ary manana ny maha izy azy sy ny lazany, na eo amin’ny lafiny sosialy na aran-tantara. Tanàna somary lehibe ihany, ao amin’ny faritra Vakinakaratra no misy azy, eo aminy no manelanelana an’Analamanga sy Vakinankaratra ary izy arak’izany no farany amin’ny faritanin’i Vakinankaratra.
Raha i Ambatolampy manokana dia tanàna somary mangingina, tsy dia ahenoina tranga maro. Raha tato ho ato izao dia dia ny fifandisoana nisy teo amin’ny ben’ny tanàna taloha sy mpivarotra akondro iray ka niteraka olana no anisany vaovao nafanafana tao an-toerana, tsy lasa lavitra ny raharaha satria nisy ireo nanome tanana ka nilamina teo ihany.
« Ny anarana hoe Ambatolampy dia avy amin’ny teny hoe Vatolampy izay midika koa hoe vatolampy lehibe, tamin’ny andro nanjakàn’ny mpanjakan’Ambodivona izay antsoina hoe Ambatolampy-bas ankehitriny no nahitàna azy. Tsy hoe tena nisy vatolampy lehibe akory tao fa nisy vato granite maro indrindra tao amin’ny renirano Morono akaikin’Ambodiriana » hoy ny i Ndriana tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina ao an-toerana.
Raha ara-tantara dia nanana ny tantarany tamin’ny andron’ny faha-mpajaka koa i Ambatolampy, « mifandray amin’ny fisian’ny lehilahy valo na miaramila “valolahy” nalefan’ny mpanjaka Merina hitandro filaminana sy ny ahefany tany an-toerana, ireo valolahy ireo dia raisina ho razam-ben’Ambatolampy. Nandritra ny vanim-potoana fanjanahan-tany niha-nitatra niankandrefana ny tanàna izay eo amin’ny toerana misy azy ankehitriny, ary nanadino tanteraka an’Ambatolampy-bas izay niandohany, tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany dia nakamban’ny governemanta franatsay ho faritan iray Ambatolampy, Andramasina, Antanifotsy, ary Faratsiho » hoy kosa i José zokiolona ao an-toerana.
Iray fiaviana amin’ny merina ihany ny olona ao an-toerana, ary raha ny tatitra amin’ny fanisàna farany nataon’ny Instat dia 382 786 ny isan’ny mponina ao an-toerana, ary miisa 18 ny fokontany ao an-toerana rah any azy irery 162 kosa raha mitambatra amin’ireo faritra akaiky azy, miorina amin’ny fambolena sy fiompiana ny toekarena ao an-toerana, katsaka, mangahazo, vary, ary voankazo sy legioma anisan’ny toerana mpiompy tantely koa izy ary misy fiompiana soavaly ihany koa.
Anisany mampalaza sy ahafantarana izany atao hoe « Ambatolampy » izany ny fanamboarana zavatra maro vita amin’ny « aluminium » (toy ny vilany, vilia, sotro, sy fitaovan-dakozia maro). Ny ankabeazan’ny fitaovan-dakozia via Malagasy vita amin’ny aluminium dia avy ao avokoa, ary tsy tsy mahalala izany « vilanin’Ambatolampy » izany raha mbola Malagasy. Azo atao ny mitsidika sy mijery akaiky ny fomba fanamboaran’ireo mponina ao an-toerana ireo zavatra ireo, fahafinaretana hoa an’ny olona any koa ny mandray ny olona mpitsidika.
« Zava-dehibe azo trandrahina sady hatsaraina ary omena toerana ambony eo amin’ny toe-karena ny zava-bita ao an-toerana, tokony homena tosika sy ampiana ara-kevitra ireo olona ao an-toerana mba hanitaràna ny vita gasy ka mba hananan’ny Malagasy ny maha izy azy, anisany lalana be mpampiasa koa ny RN7 mantsy ka mba hampiroborobo ny toe-karena sy ny fizahan-tany dia mila ampiana tosika ny olona any an-toerana » hoy i Patrice, Mpandinika sy mpamakafaka ny fiaraha-monina Malagasy.
Ambatolampy dia anisan’ireo distrika hananganan’ny orin’asa star ny tetik’asa ODOF io orin’asa io dia afaka mamokatra sy manodina ary mivarotra vokatra sy kojakoja madinika ilain’ny mponina any amin’ny tanan-dehibe.
Lalam-pirenena faha 7 no izorana raha toa ka hihazo an’Ambatolampy, mitandrema ihany anefa satria maromaro tranga lozam-pifamoivoizana iny lalana iny tato ho ato. Tongava soa any Ambatolampy.
Lovasoa Tojonirina
