ActualitésTsidika

Ankaraobato : Maimaimpoana ny fitaterana ireo mpiadina Bacc

Mitohy hatrany isan’andro ny fitaterana ireo mpiadina Bacc ao amin’ny kaominina Ankaraobato. Manohana hatrany ireo zanany ny kaominina izay ho rehareha rahatrizay.

« Tao anaty herika ny nitaterana ny mpianatra. Na izany aza tena mbola vonona na ny mpiadina na ny mpikarakara », hoy ny ben’ny tanàna ao Ankaraobato, Ramamenosoa Herinjato Samuelson. « Miisa 350 ireo zanaky ny kaominina manala fanadinana Bacc. Mitsinjara amin’ny ivon-toeram-panadinana16 izay ireo » hoy ny tompon’andraikitra.

Marihina fa hifarana ny 22 jolay ny fanadinam-panjakana bacc. Zava-dehibe tokoa ny fanohanana ireo tanora miatrika izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire