Fiarovam-pirenena : Ao anatin’ny mangaraharaha ny fitsarana ny fifaninanana ho mpianatra zandary
Nisy fitsidihana arak’asa tao amin’ny Toby Ratsimandrava nataon’ny Ministry ny Fiarovam-pirenena omaly. Nijery manokana ny fitsarana ny fifaninanana ho mpianatra zandary andiany faha-77 ny tenany mba hanaraka ny mangaraharaha hatrany izany. « Ny asa maha zandary dia ilàna fahaizana sy fahalalana. Manan-danja tokoa izao fitsarana ao anatin’ny mangarahara izao. Isaorana manokana ireo mpitsara voatsonga hanantanteraka izany » hoy ny Ministry ny fiarovam-pirenena. « Sambany nisy Ministra nitsidika ny fitsarana tahaka izao. Tsapa fa zava-dehibe amin’ny fitondram-panjakana tokoa izany » hoy ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.
Tsy vitsy tokoa mantsy ny tanora no liana te ho lasa zandary. Hanampy betsaka azy ireo hahatratra ny tanjona ny fisian’ny mangarahara.
Nicole Rafalimananjara
