ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nanao fanentanana momba ny sehatry ny fanadiovana sy fidiovana fikojana, foto-drafitr’asa ny kaominina

 Notanterahina tao amin’ny fokontany Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy ny « foire d’assainissement » izay hetsika nanaovana fanentanana ny sehatry ny fanadiovana sy fidiovana, ny rano ary  ny fikojakojana ireo foto-drafitr’asa tao an-toerana. Maro ireo olona nandray anjara nandritra izany, raha ny voalaza.

« Tafita tamin’ireo mponina ny hafatra nampitaina nanditra ny hetsika ary naneho ny favononana ny tsirairay handray ny andraikitra tandrify azy avy. Nisy ihany koa ny fampafantarana ny fisian’ny « Association Miotisoa » nandritra ny fotoana teto, ity farany izay efa mitantana ny fanadiovana sy fidiovana ary mikojakoja ny fotodrafitrasa eto amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

« Izao hetsika izao dia niarahana tamin’ny « Groupement GRET », ny « Enda Madagascar », ny C.D.A., ny « Association Miarintsoa », ny « Association Miotisoa », ny « C.C.WASH ». Marihina fa izao hetsika izao dia tafiditra indrindra amin’ilay tetikasa « Lalankely III » andiany fahatelo ary vatsin’ny AFD sy ny Vondrona Eropeana ara-bola » hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina moa ny fanentanana sy fitaomana ny olona handray anjara amin’ny fampandrosoana izay miainga amin’ny fampandraisana anjara ireo mponina. Ny lafin’ny fanadiovana sy fiovana, ny rano ary ny fikojana foto-drafir’asa izay olana sedrain’ny kaominina na dia efa misy aza ireo rafitra misehatra amin’izany ao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire