ActualitésTsidika

Sehatry ny sôkôla : Mbola azo atao tsara ny mandraharaha aminy

Sehatra iray mbola tsy dia maro mpandraharaha ny sehatry ny sôkôla. Mbola malalaka ny lalana ary mbola betsaka ny azo atao raha ity sehatra ity no hidirana.  Anisan’ny firenena mamokatra sôkôla tsara kalitao indrindra i Madagasikara. Efa maro ireo amboara azon’ny malagasy eo amin’ity sehatra ity ary anisan’ny mampalaza antsika any ivelany ny vokatra vita malagasy. Mbola azo atao hatrany anefa ny manodina vola amin’izany ary mitana sy mampiakatra izany kalitao izany hatrany.

“Mbola vitsy ny mpisehatra amin’ny fanodinana ny cacao ho sôkôla ary matetika dia tsy ampy ahtrany ny vokatra miparitaka eny anivbon’ny tsena. Azo atao ny manangana orinasa anatin’ity sehatra ity satria mihevitra ny hanondrana sôkôla hatrany amin’ny 25.000 taonina i Madagasikara amin’ny 2025. Azo atao araka izany ny mandray anjara amin’izany ho fampandrosoana ny toe-karena Malagasy sy ho fampiroboroboana ny vokatra Malagasy”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny toe-karena.

Hahafahana manatratra izany tanjona izany dia hisy ny hetsika manodidina ny sôkôla hahafahana mampiroborobo ny sehatra sy mampiroborobo ny vokatra vita Malagasy ary mampahafanatatra ny sehatry ny sôkôla eto Madagasikara. “Efa miditra amin’ny andiany faha-5 amin’ny hetsika “Salon du chocolat et de la gourmandise » amin’ity taona ity. Ny tanjona tsy miova fa ny fampiroboroboana sy fampivelarana ity sehatra ity hatrany. Mba hampitombo ny mpisehatra ihany koa”, hoy ny avy ao amin’ny Wednesday Morning Group, mpikarakara ny hetsika.

Ny anton’ny hetsika dia hahafahana manentana ireo izay manam-paniriana ny hisehatra amin’izany mba hitozo amin’ny faniriany. Hisy ihany koa ireo torolalana samihafa mety hatolotra ireo mpisehatra vaovao ireo. Hotanterahina ny 2 aprily izao ny hetsika ao amin’ny Carlton Anosy izay ahitana mpisehatra miisa 40 be izao.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire