France : Zaza 1 isakin’ny 5 andro no maty vonoin’ny rainy na ny reniny ao an-toerana araky ny Unicef
Manoloana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy ny 20 novambra teo dia nanao fanairana momba ny trangan’herisetra mianjady amin’ny zaza tsy ampy taona ao France ny Unicef. Nandefa tatitra momba izany ireo izay mirakitra fa zaza 1 isakin’ny 5 andro no maty vonoin’ny rainy na ny reniny ao an-toerana.
Tamin’ny fihibohana nandritra ny Covid-19 no tena niakatra izany isa izany hoy ny filohan’ny komity frantsain’ny Unicef France, Adeline Hazan. Nitombo be ny antso voaray tamin’ny 119 nitoroka fahatahorana ny amin’ny aina zaza tsy taona hoy io tompon’andraikitra io. Nomarihan’ity farany fa voaheloka 3 taona an-trano maizina sy fandoavana lamandy 45 000 Euros ny tsy fitorohana herisetra.
