ActualitésTatitra

France : Mpanara-maso ny hetra iray no nisy namono amperin’asa

Mpanara-maso ny hetra iray no nisy nitsatoka antsy tao Pas-de-Calais. Nohazonin’ilay navanon-doza an-keriny niaraka tamin’ny mpiara-miasa iray hafa taminy io mpiasan’ny hetra io. Fantatra kosa fa olona mpivarotra entana taloha (brocateur) io namono olona io. Nanao ny asany tao amin’ny toeram-pivarotana ilay mpivarotra io mpiasa io no niseho ny loza.

« Nanao ny asany fotsiny io lehilahy novonoina io » hoy ny minisitra miandraikitra ny kaontim-panjakana, Gabriel Attal. Olona nahita ny tranga kosa no niantso manan-pahefana saingy rehefa tonga tao an-toerana izy ireo dia nahatsikarika trangam-pahafatesana roa. Namono tena mantsy ilay nahavanon-doza taorian’ny tranga.

Ilay mpiara-miasa niaraka tamin’ilay mpanara-maso ny hetra kosa dia hita nifatotra teo ambonin’ny seza tao amin’ilay toeram-pivarotana.

Laisser un commentaire