Etats-Unis : Fantsarana ny fifandraisan’ny Allemagne sy Etats-Unis
Nisy ny fanarenana indray ny fiaraha-miasa teo amin’ny Allemagne sy i Etats-Unis taorian’ny faharavan’ny fifandraisan’ny roa tonta tamin’ny fitondran’i Donald Trump. Nisy ny fihaonana teo amin’i Angela Merkel sy Joe Biden ny alakamisy 15 jolay lasa teo tany amin’ny « Maison Blanche ». Tonga tany an-toerana araka izany ity chancelière ity handinika ny fifandraisan’ny roa tonta. Naharitra ny adiny roa ny fifampiresahan’izy ireo ary lohahevitra maro no noresahana nandritra izany toy ny etahan’ny fahasalamana ao Eoropa, ny ffandraisana amin’ny Chine sy ny zava-misy ao Haïti na ao Cuba. Niresahana nandritra izany ihnay koa ny fahasimbana tao Allemagne noho ny todra-drano izay nahazo ny firenena nahafatesan’olona maro. Antenaina araka izany ny fizotran’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.
