ActualitésTatitra

Mexique : Mampalaza azy ny Sombrero

Manondro karazan-tsatroka avy ao Mexique ny teny hoe « sombrero ». Karazan-tsatroka avoavo loha ary misy sisiny bebe velarana.

Teny hilazana ny karazan-tsatroka rehetra misy sisiny ao Espagne nefa ny teny hoe « sombrero ». Nalaina tamin’ny teny hoe « sombra » midika hoe « aloka » na « haizina » izany. Satroka mitondra alokaloka miaro amin’ny masoandro noho izany izy io.

Io teny io nindramin’i Mexique namaritany karazan-tsatroka iray fampiasa ao aminy. Noforonony izany manoloana ny toetry ny andro maina ao an-toerana. Entin’izy ireo hiarovana amin’ny masoandro izany fa amin’ny orana y ny hatsiaka ihany koa.

Laisser un commentaire