Hodi-potsy : Inona no tena mahatonga azy ?
Isan’ny tena mpahazo ny olona maro tokoa ny hodi-potsy. Inona no mahatonga izany ?
Marihina aloha fa manaranaka ny hodi-potsy. Izay no tena mahatonga azy voalohany. Ny toerana mafana, ny hormone miovaova, ny hery fiarovana marefo ary ny aretina homamiadana ihany koa dia isany miteraka hodi-potsy. Tsy tsara noho izany mitanina andro sy manao tsemboka be rehefa misy hodi-potsy fa vao maika mampitombo azy izany. Tsara ihany koa raha mihinana sakafo ara-pahasalamana hatrany toy ny sakafo misy vitamina A, C, E. Tokony hitandrina ny fahadiovana hatrany ihany koa ary mila midio isan’andro. Tsy mahasoa ny olona misy hodi-potsy ny siramamy, ny alikaola, ny vinaigitra ary ny voanjo.
Azo atao kosa ny manositra yaourt amin’ilay hoditra, eo ihany koa ny diloilo coco sy canelle afangaro ary ajanona eo mandritra ny adiny roa.
Nicole Rafalimananjara
