Lettonie : Iray amin’ireo Pays-Baltes
Firenena iray ao Europe avaratra i Lettonie. Tafiditra amin’ireo Pays-Baltes izy. Ao amin’ny morontsiraka atsinanan’ny ranomasina Baltique no misy azy. Miray sisintany amin’i Lituanie izy any atsimo, amin’i Estonie any avaratra, amin’i Russie any atsinanana, amin’i Biélorussie any atsimo atsinanana ary miray sisin-dranomasina amin’i Suède any andrefana.
Firenena mpikambana ao amin’ny Union Européen i Lettonie nanomboka ny 1 mey 2004 ary mivondrona ao amin’ny Zone Euro nanomboka ny 1 janoary 2014. Teeo anelanelan’ny taona 1991 hatramin’ny 2011 dia very 23% ny mponin’i Lettonie noho ny taham-piterahana ambany dia ambany sy ny fifindram-monina niiba (ny mpifindra monina niala ny firenena no betsaka noho ireo tonga).
