ActualitésTatitra

Italie : Avy ao Sicile i Archimède

Iray amin’ireo siantifika lehibe indrindra teo amin’ny tantara i Archimède de Syracuse. Teraka tany amin’ny taona -287 tany ato Syracuse izy ary maty ny taona -212 tao amin’io tanàna io ihany.

Mpahay fizika, astronomia, matematika ary injeniera i Archimède. Na dia vitsy aza ny tantara momba ny antsipirian’ny fiainany dia heverina ho iray amin’ireo mpahay siansa lehibe tamin’ny andro fahiny izy. Mbola mitoetra izany lazany izany, mbola miampita amin’ny taranaka fara aman-dimby ny asa fikarohany toy ny « hydrostatique », « flottabilité », « poussée d’Archimède »… Mbola miasa amin’ny fiainana andavan’andro ihany koa ny asa famoronany toy ny « vis d’Archimède », « palan »…

Laisser un commentaire