Manandriana : Nanolotra fampitaovana ho an’ireo Rafitra Fanadiovana sy Fidiovana ny kaominina
Nisy ny fanomezana fampitaovana ho an’ny Rafitra Fanadiovana sy Fidiovana (RF2) tao amin’ny kaominina Manandriana, nanditra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fampiasana kabone tao an-toerana. Niara nanolotra izany ho an’ny fikambanana ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ny Gret ary ny Wsup.
« Anisan’ny mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny kaominina ny RF2 ka rariny raha tohanana sy omena fampitaovana entin’izy ireo manantanteraka izany andraikitra sy adidy goavana ho an’ny tombotsoan’ny rehetra izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Olana sedrain’ny rafitra tahaka izao ny tsy fahampian’ny fampitaovana sy ny fanohanana eo amin’ny filàna isan-karazany, ka dia hisaorana feno ireo tomponandraikitra nahatsiaro sy manohana hatrany amin’ny tolotra tahaka izao » hoy i Faly, avy ao amin’ny fikambanana.
Sehatra anisan’ny mila fanohanana sy fijerena eny ifotony tokoa ny mahakasika ny fanadiovana sy ny fidiovana. Samy manana io rafitra io avokoa ny kaominina ka tokony hamporisihana hatrany amin’ny fampandraisana anjara ny rehetra ho fidiovana sy filaminan’ny tanàna.
Manitra Ramanantsoa
