Maurice : Polisy maherin’ny 10 000 isa no hiasa mandritra ny vanim-potoan’ny fety
Mba hitandrovana ny filaminin’ny fetin’ny faran’ny taona dia polisy maherin’ny 10 000 isa no hahetsikin’ny foiben’ny polisy ao amin’ny nosy Maurice. Hizara amin’ny lalana sy toeram-pivarotana samihafa ireo manam-pahefana ireo mandritra izany.
Raha tsiahivina dia efa nanomboka ny 1 desambra teo ny dingana voalohan’io tetikasa io. Nanatombo isa indray ny foibe ny 15 desambra teo raha ny 24 desambra hatramin’ny 8 janoary 2023 no hanatontosana ny dingana na fampitomboana mpitandro ny filaminana fahatelo. Manoloana izany dia tsy mahazo fialan-tsasatra ny polisy hatramin’ny 8 janoary hoy ny tompon’andraikitra.
Marihina fa polisy avy amin’ny departemanta samihafa no hiasa amin’io fotoana io. Hisy ireo avy ao amin’ny « Criminal Investigation Division », ireo « special Mobile Force », ireo avy ao amin’ny « brigade antidrogue », « officiers undercover » ary mpiandry sisintany.
