Actualités

Chine : Mbola manatanteraka ny fitsidihana ny sampam-pikirakirana virus ao Wuhan ny manam-pahaizan’ny OMS.

Hanana fotoana hametrahana fanontaniana mandritra ny fitsidihana ny sampam-pikirakirana virus ao Wuhan, Chine, ireo manam-pahaizana avy ao amin’ny OMS, nalefa tany an-toerana mba hijery ny niandohan’ny areti-mandringana Covid-19. Na izany aza, mpandalina maro no miahiahy ny amin’ny fahombiazan’ny iraka nampanaovina azy ireo. Manahy ny mety tsy ahitan’ny vondrona OMS porofo mivaingana amin’ny fiantombohan’ny valanaretina marina tany an-toerana ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena. Misy ny dinika hifanaovan’ireo avy ao amin’ny OMS sy ireo mpikaroka ao amin’ity sampam-pikirakirana ao Wuhan ity, ny alarobia 03 febroary. Nilaza ny mpitondra tenin’ny diplaomasia sinoa, ny alatsinainy lasa teo, fa tetikasa fikarohana no anton’ny fitsidihan’ny OMS tany Chine. « Tsy famotopotorana io, » hoy izy. Mbola andrasana arak’izany izay mety ho tohin’ny tantara. Tena I Chine marina ve ny tompon’atoka tamin’ny fipariahan’ny valanaretina covid-19 ny taona 2019.

Laisser un commentaire