Ankadikely Ilafy: Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny tournoi Santatra Fifankatiavana 2023
Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny tournoi Santatra Fifankatiavana ho an’ny taona 2023, eo amin’ny taranja baolina kitra, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Hanomboka amin’ny alatsinainy 16 janoary izao izany, araka ny voalaza.
“Ireo mpilalao kitra ato anatin’ny fokontany 18, izay mandrafitra ny Kaominina Ankadikely-Ilafy no antsoina handray anjara amin’ity tournoi Santatra Fifankatiavana ity. Koa manainga antsika rehetra mpiangaly kitra ho tonga maro amin’izany sahady” hoy ireo mpikarakara ny fifaninanana.
“Mbola hisy moa ny fivoriana izay ho tanterahina rahampitso Sabotsy 28 Janoary ho an’ireo solontenan’ny klioba handray anjara amin’izany, ahafahana mifandinika sy mandamina mahakasika ny fifaninana. Hanasana ny rehetra ho avy ihany koa” hoy hatrany ireo mpikarakara.
Ny zoma 27 janoary moa no hikatonan’izany fisoratana anarana izany, izay marihina fa atao ao amin’ny biraon’ny fanatanjahan-tena, kianjan’ny Fifankatiavana ao Ankadikely ihany.
Manitra Ramanantsoa
