ActualitésTatitra

Equateur : Nahitana trangana « grippe aviaire » tamin’ny olombelona tao an-toerana

Nanao tatitry ny trangana « grippe aviaire » vaolohany tamin’ny olombelona i Equateur ny talata 10 janoary teo. Zazavavy kely 9 taona monina ao Bolivar ao, Andes no nahitana io tazo A-H5 io raha ny fanazavana nentin’ny ministeran’ny fahasalamana tao an-toerana. Heverina fa fifandraisana mivantana tamin’ny vorona no nahatonga izany fifindrana izany raha ny fanamafisan’izy ireo.

Marihana fa herinandro vitsivitsy taorian’ny fanambarana hamehana ara-pahasalamana 90 andro tao amin’ny firenena no nahitana io tranga tamin’ny olombelona io. Raha tsiahivina dia tokantrano iray nahitana trangana « grippe aviaire » tamin’ny akoho amam-boriny tao Cotopaxi no nahatonga io fanampahan-kevitra io. Mbola io zazavavy io kosa hatreto ny trangan’aretina hita amin’ny olombelona hoy ny minisitry ny fahasalamana.

Laisser un commentaire