ActualitésTsidika

Tonga tany Vatomandry ny « caravane médicale »

Araka ny fandaharam-potoana mahakasika ny fahasalamam-bahoaka dia ny 8 septambra lasa teo no nisitraka ny fitsaboana ny distrikan’ny Vatomandry. Tonga maro teny an-toerana noho izany ireo mponina nandray sy nitaky ny zo-ny amin’ny hanana fahasalama milamina. Maimaim-poana avokoa ny fitiliana sy ny fitsaboana rehetra nataon’ieo mpisehetra ara-pahalasamana tamin’izany. Izany no natao ho fanampiana ireo mponina izay mipetraka alavitry ny tobim-pahasalamana.

« Isaorana tanteraka ny ministrin’ny fahasalamana noho izao zavatra ataony eto amin’ny distrika izao » hoy i Rova, mponina nisitraka fizahana ara-pahasalamana. « Tanjona ny hananan’ny vahoaka Malagasy fahasalamana mandrika koa izany indrindra no anton’izao karajia ara-pitsaboana izao » hoy i Dr Fidèle. Raha ny zava-misy hatramin’izay dia ny marary no manatona tobim-pahasalamana saingy noho ny ezaka ataon’ireo mpiandraikitra ny fahasalamam-bahoaka dia izy ireo no nidina teny hifotiny hamaly ny filan’ny mponina.

Miankina tanteraka amin’ny fahasalaman’ny mponina no hahafahana mampandroso ny firenena iray koa hirariana ny hitohizan’izao asa izao manerana ny distrika rehetra eto Madagasikara.

Laisser un commentaire