Fitarainana noho ny hay trano tao Miadana Port-Bergé
Nisy ny hay trano mahatsiravina tao amin’ny tanànan’ny Miadana kaominina Tsarahasina, distrikan’i Port-Bergé ny sabotsy 04 septambra lasa teo. Trano miisa 177 no may, ary olona 885 no tsy manan-kialofana, vary mitentina 5310 gony eo ho eo no may, fitaovam-pianarana ho entin’ny mpianatra hiatrika fidirana no potika, fitaovana enti-miasa toy ny « charrue, herche,… » no may, fanaka sy kojakoja an-dakozia maro no lasa lavenona, fananam-panjakana toy ny « bazary », biraon’ny CEG potika sy ny fitaovana tao anatiny, vola hanamboarana CEG mitentina 5 500 000 Ariary no lasa lavenona koa.
Raha ny fitataran’ny Ernest iray amin’ireo niharam-boina dia « afo nivoaka tamin’ny lakozian’olona iray no niatombohan’ny afo, ary Tanana maro dia maro no kila firehitra noho izany, koa miantso ireo manam-pahefana tompon’andraikitra ambony izahay satria misy ireao izay mbola tsy manan-kialofana tao aorinan’io fahamaizana tamin’ny sabotsy io ».
Miandry arak’izany ireo amponina ao amin’ny Fokontany Miadana Tsarahasina Port-Bergé ny mba hisian-ny fidinana ifontony mahakasika izany.
