ActualitésTsidika

Fahasimban’ny lakan-drano ao amin’ny distrikan’ny Marovoay

Atahorana ny ho fihenan’ny fiakaran’ny vary ho vokatra ao amin’ny distrikan’ny Marovoay, noho ny fahasimbana tafahoatra ny lakan-drano mpamatsy rano ao amin’ny tanimbary mirefy 24 000 Ha. Mirefy eo amin’ny 6 000 Ha eo ho eo sisa ny tanimbary azo volena vary, na dia anisany sompitra ny vary eto Madagasikara aza izy.

Raha ny fitarainan’ny ben’ny tanàna ao an-toerana Rakotoarimanga Philbert dia « miisa dimy ireo kaominina ao an-toerana no mitondra faisana amin’izao fahasimban’ny lakan-drano izao, ka miantso ny fitondram-panjakàna sy ny minisiteran’ny fambolena indrindra, mba hijery an-tanana izao tranga misy izao ».

I Arsène anisan’ny mpamboly ao an-toerana dia nanamafy fa « efa ny taona ny taona 1996 no efa nitsahatra ny asa fikojakojaina ny lakan-drano mahatratra 30km mahery eto Marovoay, ary tsy nisy intsony ny asa fanavaozana ».

Inoana sy antenaina fa hisy ny fijerena manokana io zavatra io mba tsy hisian’ny fiatraikany goavana eo amin’ny lafiny ara-toekarena

Laisser un commentaire