ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Ho apetraka ny vato fototra amin’ny fanamboarana ny lalambe migodana

Taorian’ny fandehana an-tsehatra nataon’ny ministeran’ny asa vaventy sy ny avy amin’ny faritra Analamanga tamin’ny alarobia lasa teo, teny amin’ny fokontany Ambolo, kaominina Talata volonondry, dia hanatanteraka fametrahana ny vato fototra amin’ny fanamboarana any lalambe migodana (autoroute) eny an-toerana ny filoham-pirenena, rahampitso Sabotsy 03 Desambra.

“Ho tanterahin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina eto amin’ny kaominina, fokontany Ambolo ny fametrahana ny vato fototra amin’ny lalambe migodana izay mampitohy an’ Antananarivo sy Toamasina. Hanasana ny mponina sahady ho tonga maro hifanontrona mba ho fanohanana ny fampandrosoana” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

“Anisan’ny dingana lehibe ho an’ny fiovana ny fanatanterahana tetikasa tahaka izao, na dia izany aza anefa voakitikitika ny seha-pamokarana hafa manoloana ity fanamboarana ity. Ka tokony ampahafantarina ny mponina na omena vahaolana hafa mifanaraka amin’ny zava-misy izy ireo hahafahana misoroka ny olana isan-karazany” hoy I Dieu-Donné, mpandinika fiaraha-monina.

Raha tsiahivina moa, dia efa nisy ny fifampiresahana sy ny fifanomezan-tso-drano amin’ny fanatanterahana izany tetikasa izany, izay hanomboka ao an-toerana, izay nifanaovan’ny mponina tao ifotony sy ny ministera misahana izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire