Fandriam-pahalemana : Hita taratra ny tsy firaisan-kinan’ny samy Malagasy
Tranga iray ahitana ny tsy fisian’ny firaisan-kina amin’ny Malagasy ny tsy fandriam-pahalemana. Matetika loatra ny trangana tsy fandriam-pahalemana tsy misy mpamonjy. Vao haingana teo no nitranga tranga fanendahana tao Antsirabe. Mbola maro ireo olona mifamezivezy saingy tsy nisy namonjy ity tovolahy iray. Matahotra ny amin’ny ainy ihany koa anefa ireo olona manodidina ny tranga matetika.
« Raha mamonjy kanefa tsy afaka ny hanavotra ve tsy naman’ny mamono tena. Ho fiarovana ny aina dia avela handeha aloha ireo mpanao ratsy vao manatona ka raha sanatria maratra ilay olona dia entina any amin’ny hopitaly haingana. Tsy fantatra ihany koa ny zava-maranitra entin’ireny jiolahy ireny any aminy any », hoy i Rija, mponina ao Antsirabe.
« Fatahorana ny hiverenan’ireo jiolahy ety no mahatonga anay tsy mihetsika. Efa eto no fivelomana, raha hiverenan’ireny eto ve ho afaka ny hitady vola intsony. Ny fiainana mafy ary ny ankizy tsy maintsy mihinana, raha maratra na satria maty eto dia sahirana ireo ankizy ireo. Aleo rehefa milamindamina ny tranga vao mamonjy izay niharan’izany », hoy ity mpivarotra hani-masaka iray.
Fanehoana ny firaisan-kina sy ny fifanampiana ny trangam-piaraha-monina tahaka ireny. Tsy firarahiana marina ve sa ny fiheverena afatsy ny aina irery ihany no mahatonga izany. Ny trangan-javatra toy ireny ihany koa no ilaina ny mpitandro filaminana ho maro sy tena manao ny asany.
Miora Raharisolo
