Vietnam : Namoy ny ainy ilay zaza nilatsaka tao anaty lavaka 35 metatra
Zazalahy kely 10 taona antsoina hoe Thai Ly Hao Nam no nilatsaka tao anaty lavaka 35 metatra teo amin’ny toeram-panorenana iray tao Vietnam ny 31 desambra teo. Olona an-jatony, tompon’andraikitra ambony, miaramila, injeniera ary milina maro no niezaka nanavotra io zazalahy io.
Nanao fanambarana nefa i Doan Tan Buu, filoha lefitry ny komitim-bahoaka ao amin’ny faritanin’i Dong Thap, ny alarobia teo fa namoy ny ainy io zaza io. Fantatra fa nitady korotam-by no antony nandehandehanan’io ankizy io teny amin’io toeram-panorenana io. Efa ananao ny ezaka rehetra nanavotana azy kosa ireo tompon’andraikitra saingy nanano sarotra ny halalin’ny lavaka.
Anisan’ny nitarika ny fahafatesan’ilay ankizy kosa ny tsy fahampian-drivotra, ny ratra nahazo azy ary ny fahelan’ny fotoana nijanoany tao anatin’ny lavaka.
