ActualitésSocialTsidika

Ankadinandriana: Tsy diso anjara tamin’ny tsena VMMM ny mponina

Notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tsena fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary, izay natolotry ny fikambanana vehivavy Malagasy Miara-Miainga (VMMM) tao amin’ny kaominina Ankadinandriana. Faly ireo mponina ary velom-pisaorana ny fikambanan nandritra izany.

“Manamaivana ny fahasahirananay ray aman-dreny amin’izao fanomanana ny fidiran’ny mpianatra izao ity tsena atolotry ny fikambanana ety an-toerana ity. Ny fahasahiranana sy ny vidin’ny fitaovam-pianarana amin’izao fotoana efa tena lafo ka tena manampy betsaka anay ny tsena mora tahaka izao, hisaorana ireo tomponandraikitra manolotra izany” hoy i Bertine, mponina ao Ankadinandriana.

“Nandritra ny sivy taona izao no nifanampian’ny fikambanana tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary. Nandritra izany dia tsy mbola diso anjara ny kaominina Ankadinandriana. Miezaka ihany koa ny fikambanana manolotra izany hatrany mba hamporisihana ny ray amandreny hampiana-janaka” hoy ireo avy amin’ny fikambanana VMMM.

Anisan’ny antony mahatonga ny fiakaran’ny tahan’ny zaza tsy tafiditra an-tsekoly ny tsy fananan’ny ray aman-dreny fahafahana hividy fitaovana ho an’ny zanany. Ity farany izay nahitana fiakarana mihoatra ny tamin’ny taon-dasa ny sarany. Manano sarotra ny ankamaroan’ny ray aman-dreny anefa izany, ankoatra ireo vola aloha eny an-tsekoly, izay tsy maintsy mbola aloha ihany koa.

Manitra R.

Laisser un commentaire