Australie : Nanafatra balafomanga Tomahawk 200 mahery tamin’i Etats-Unis ny firenena
Nanao fanambarana i Australie omaly alatsinainy fa nanafatra fitaovam-piadiana balafomanga Tomahawk maherin’ny 200 isa tamin’i Etats-Unis izy ireo. Marihana fa nanao fanavaozana ara-miaramila lehibe ny governemant’i Australie, tanjon’izy ireo ny fihezahana hanohitra ny tanjaka ara-miaramilan’i Chine.
Raha ny fanamafisana dia ampiasaina amin’ireo sambo mpilentika izay azon’i Australie tamin’ny fifanarahana miaramila AUKUS, nosoniavin’i Canberra, Londres ary Washington ihany koa ireo balafomanga ireo. Mampiasa vola amin’ny fahaiza-manao ilain’ny tafika ny firenena mba hihazonana ny fahavalo lavitrin’ny morontsiraka sy hiaro ny firenena hoy ny minisitry ny fiarovana tao an-toerana, Richard Marles.
