ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Andiam-behivavy mpisoloky saron’ny zandarimaria

Andiam-behivavy manao asa fisolokiana, amin’ny resaka bizina trano sy tany ary mpanao taratasy hosoka sy mpampiasa hosoka no saron’ny zandary avy ao amin’ny brigadin’Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny alalan’ny vela-pandika no nahafahana nisambotra azy ireto, arak any voalaza.

“Efa nandritry ny 2 taona ity vehivavy (ampovoany amin’ny sary) ity sy ireo namany no manao ity asa ratsy ity teto Ambohimangakely ary efa betsaka ireo lasibatra. Anisan’ny voasolokiny ny rafozany. Rehefa mahita olona mitady tany na trano amidy dia entiny any ireo olona, mampiseho taratasin-tany izy ireo ka voajono ny mpividy. Rehefa haka ilay tany vao mahita ny tsy mety rehetra” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

“Nitsoaka moa ity vehivavy mpanera rehefa nihamaro ny olona tratrany ary vitany hatramin’ny nanapaka volo ho lasa lehilahy. Ny fikarohana teo ambany fitarihan’ny CB Ambohimangakely no nahasambora azy tany Anjomakely Kaominina Bongatsara Antananarivo Atsimondrano. Noraisim-potsiny teo an-tanàna ireto namany mpiray tsikombakomba aminy ireto” hoy hatrany ny fanazavana.

Taorian’ny nisamborana ireo vehivavy ireo moa dia nitombo ny fitoriana napetrak’ireo efa lasibatr’izany asa fisolokiana izany. Natolotra ny fitsarana avy hatrany moa izy telo vavy ireto.

Laisser un commentaire