ActualitésTsidika

Kaominina Antananarivo Renivohitra : Nasiam-panavaozana ny fifamoivoizana

Foana ny tobim-piantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka eo Ambohijatovo. Mivadika ao ambadiky ny fivarotam-boky izany.  Efa misy ihany koa ny lamina hanalalahana ny  »trottoir » manoloana ny  »Super music » eo Analakely, ka voatery mihataka amin’ny mahazatra ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka teo Analakely teo aloha.

Efa miroso amin’ny fanesorana ireo « ilot » tsy ampiasaina intsony ny fiadidiana ny kaominina, mba hampirindra tsara ny lalan-jotra vaovao eo Ambohijatovo sy Andohan’Analakely. Notsindrian’ny talen’ny fitaterana monisipaly an-drenivohotra, Ainanirina Albert Estel, fa mety hisy hatrany ny fiovana miandalana, hanatsarana ny fifamoivoizana.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire