Angovo : Feno 40 taona ny ivon-toeram-pamokarana herinaratra any Andekaleka
Namatsy herinaratra an’Antananarivo sy ny manodidina nandritra ny 40 taona ny « Centrale Hydroéléctrique » any Andekaleka. Ity toerana ity izay sokajiana ho toerana famokarana herinaratra goavana indrindra eto Madagasikara.
Nitsidika izany toerana iznay ny filoham-pirenena Malagasy. « Ny Filoha Didier Ratsiraka no nitokana ity centrale Hydroéléctrique Andekaleka ny taona 1982. Nanomboka ny taona 1978 kosa ny nanombohana ny fanamboarana azy » hoy i Ferdinand, mpahay tantara. « Izao indray vao hisy filoham-pirenena Malagasy nitsidika ity toerana ity tao anatin’ny 40 taona. Raha ny filoha Didier Ratsiraka no nitokana azy voalohany. I Andry Rajoelina kosa ny filoha faharoa hitsidika izany » hoy i Rajoelisoa Soatiana, Talen’ny serasera sy ny fifandraisana ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika.
« Tsy mitsahatra mitady vahaolana manoloana ny fikorontanan’ny herinaratra isika. Tonga aty Andekaleka mihitsy ny tenako nijery ny asa fanarenana. Eo ihany koa ny fanamboarana izay tsy maintsy natao hahafahana manatsara ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo » hoy ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina. Ho atsangana ihany koa ny centrale hydraulique goavana vaovao ankoatra an’Andekaleka mba hahabetsaka ny herinaratra.
Tsara ihany koa anefa ny fampiroboroboana ny fotodrafitr’asa amin’ny famokarana herinaratra mandeha main’ny masoandro. Manana anjara asa lehibe amin’ny tontolo iainana lovainjafy tokoa mantsy izany.
Nicole Rafalimananjara
