ActualitésTsidika

Tsiroanomandidy: Tratra ny mpangalatra omby

Lehilahy iray mpangalatr’omby antsoina hoe Manampirà no voasambotry ny mpitandro ny filaminana ny 11 oktobra 2023. Niaiky ny heloka nataony ity lehilahy ity nandritra ny fanadihadiana natao azy. Nitoroka sy nanoro izay misy ireo namany mpiray tsikombakomba ihany koa ity lehilahy ity nandritra izany. Voasambotry ny zandary ihany koa ny manamy roa lahy tao aorinan’ny fitadiavana sy ny fikarohana azy ireo.

“Isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fangalarana ireo omby miisa 17 ny alahady lasa teo ity lehilahy ity. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo namany hafa mbola tsy hita.” Hoy ny mpitandro ny filaminana.

“Tsy nilamina mihintsy izahay tety vokatry ny fanafihana sy ny halatr’omby ataon’ireo olon-dratsy ireo. Misaotra ireo mpitandro ny filaminana izahay araka izany; ary mirary ny hahatratrarana ireo jiolahy mbola mirihary any.” Hoy i Ravao, renim-pianakaviana.

Ny miaramila dia manao ny ainy tsy ho zavatra, miasa andro aman’alina mba ahafahan’ny vahoaka miaina am-pilaminana sy mifantoka amin’ny asa fampandrosoana ny Tanindrazana.

Laisser un commentaire