Antsohihy : Voasambotra ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana tamin’ny lalam-pirenena faha-31a
Voasambotra ireo voatondro ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-basy tao amin’ny lalam-pirenena faha-31a. Tsiahivina fa ny 19 martsa lasa teo no nisehoan’izany tao Betamotamo‚ PK10, fokontany Ankerika centre‚ kaominina Ankerika, Distrikan’Antsohihy.
« Vola aman-tapitrisany no lasa. Nisy ireo naratra vokatry ny fanafihana nataon’ireo jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao amin’ny lalam-pirenena faha-31a. Fiara mikasa ho any Ambarijeby Sud ity voasakana sy voaroba ity » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. « Tra-tehaka ireo jiolahy sy ny namany izay efa somary nahazo taona ny sasany. Tratra niaraka tamin’ny basimborona izay nofafana ny laharany ary bala maromaro. Ny fahafantarana ny iray tamin’ireo mpanafika no nanamora ny fahatratrarana azy » hoy ireo Zandary avy ao avy ao Anahidrano miasa ao Ankerika.
Hita niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny ilany hazo izay nampiasainy tamin’ny fisakanana. Miantso hatrany ny fifanomezan-tanana na vaovao ara-potoana avy amin’ny mponina hatrany ny Zandarimariam-pirenena.
