ActualitésTsidika

Sofia : Miantso fitsinjovana manokana ireo namany naiditra am-ponja ireo ben’ny tanàna

Naneho firaisankina ireo ben’ny tanàna izay mivondrona ho iray ao amin’ny faritra Sofia‚ manoloana ny fampidirana am-ponja ireo namany. Miantso ny tompon’andraikitra amin’ny fitsinjovana manokana ireo namany izy ireo.

« Tsy irery ianareo na tafahitsoka any amin’ny lalina aza. Ekena fa mety nisy tsy fietezana tamin’ny fitantanana ny raharaha na volam-panjakana saingy tsy mbola nisy sekoly manofana manokana ny asa maha Ben’ny tanàna eto amintsika » hoy ny solontenan’ireo ben’ny tanàna ao Sofia. « Miangavy sy mitalaho ny hitsinjovana manokana ireo Ben’ny tanàna namanay izay nahiditra am-ponja izahay. Mijaly ary sahirana ny fianakaviany sy ireo vahoaka nifidy azy » hoy Houssen « Babalahy »‚ filohan’ny fikambanana ben’ny tanàna Sofia.

Sady niantso sy niangavy ireo tompon’andraikitra voakasika izy ireo no nankahery ireo namany izay tafahitsoka any am-ponja.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire