Ambohimanga Rova : Nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny fifaninana mathématiques ny lycée
Nahazo ny laharana fahatelo ny Lycée Ambohimanga Rova, tamin’ny fifaninana mathématiques izay nokarakarain’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena tamin’ny volana desambra lasa teo. Mpianatra amin’ny kilasy famaranana miisa 478 no nandray anjara tamin’izay, ka anisan’ireo mendrika tamin’izany ny mpianatra avy ao Ambohimanga Rova.
« Manana ny fahaiza-manao na ara-kolontsaina na ara-teknika na ara-panabeazana ny ankizy avy eto Ambohimanga Rova. Anisan’ny efa nandray anjara tamina sehetra isan-karazany izy ireo ary mamiratra hatrany » hoy ny tompon’andraikitra amin’ny fikambanana iray ao an-toerana.
« Anisan’ny misongadina hatrany ireo ankizy, zanaka avy eto amin’ny kaominina Ambohimanga Rova, amin’ny fifaninana tahaka izao. Mendrika fanohanana sy fankasitrahana izy ireny satria rehareha ary mitondra ny anaran’ny tanàna » hoy i Tania, mponina ao Ambohimanga Rova.
Nisy izany fifaninana izay nokaraikarain’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena izany avokoa moa nanerana ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena enina, dia teto Analamanga, Matsiatra ambony, Vakinakaratra, Atsinanana, Diana ary Boeny. Ary ireo ankizy 10 voalohany nandray anjara tamin’ity fifaninana ity dia samy nahazo valisoa avy amin’ny ministera avokoa.
Manitra Ramanantsoa
