ActualitésTsidika

Andranosoa Ambohimalaza : Mponina mazoto sy tia karokaroka

Raha manaraka ny lalam-pirenena faharoa iny dia mandalo an’Ambohimalaza Miray. Any amin’ny 24km miala ny renivohitra koa no misy an’Andranosoa, fokontany iray isan’ny ao anatin’ny kaominina Ambohimalaza Miray izy, ary tena manana ny tantarany sy ny maha izy azy.

Rehefa tonga eo amin’ny PK21 izay misy takelaka manondro an’Ambatolampikely, dia mivily miankavia, dia eo ho eo amin’ny 3km eo dia efa tonga ao. Izy no Atsinanana indrindra amin’ny fokontany ao Ambohimalaza Miray.

Raha ny tantara nolazain’i Tendry mponina ao an-tanana dia « teny roa nakambana no nahatonga ilay Andranosoa. Nanome soa ho an’ny tanàna mantsy ny rano, ary tsy niorina ny tanàna raha tsy nisy rano. Voahodidina hadivory izy, ary nisy vavahady niditra koa tao an-tanàna, fa saingy efa rava izany anakehitriny. Ilay rano nahasoa any tanàna koasa dia mbola ao ».

Manana fotom-pivelomana hafa kely kosa ireto olona ireto satria dia manao biriky sy vy izy ireo, ankoatra ny mamboly. Olona tia karokaroka izy ireo ary tsy olona mipetrapetraka fotsiny koa. Ireo vy simba ka hamboarina na hamoronana zavatra, dia vitan’izy ireo avokoa. Manamboatra ireo biriky hanaovana trano koa izy ireo. Tsy ataony verivery mihitsy ny fotoan’izy ireo fa ahivitany zavatra foana.

Fokontany any ambanivohitra anefa dia manana CSB2, sekoly ambaratonga voalohany sy ambaratonga fototra. Ny sekoly tsy miankina dia maro ihany koa, tsy mijaly izany mpianatra ao an-toeran amin’ny fianarana fa mivelatra sy efa mahaleo lalana tsara ny ankizy vao miakatra eny andrenivohitra manohy mianatra.

Amin’ny ankapobeany dia toerana tsara izy, indrindra raha mitaha amin’ny fokontany eny Avradrano amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Tia fanavaozana ny olona ao, na dia tsy toy ny rova hoe misy vakoka toy ireny azo tsidihana aza izy dia manana ny maha izy azy mihitsy, ary mahay manaja ny tontolo iainana sy ny tantaran’ny tanàna ny mponina.

Raha toa ka manam-paniriana ny hihazo izany atao hoe « Andranosoa » izany dia eo Mahazo no mandray ny fiara fitaterana, ary 1 000ar ny saran-dalana.  

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire