Ambohimangakely : Hanolotra fampianarana dihy maimaim-poana ny BTC
Hisy ny fampianarana mandihy maimaim-poana hatolotry ny BTC Ambohimangakely. Manomboka anio Alarobia 09 Aogositra, dihy isan-karazany no hatolotry ny ivon-toerana ho an’ireo tia mandihy na te hianatra hahay handihy.
“Ao anatin’ny hetsika ahafantarana ny BTC ny dihy, izany indrindra no hanentanana ny tanora na ny olon-dehibe, na ny ankizy izay liana amin’ity taranja ity ho avy ety amin’ny ivon-toerana satria maimaim-poana ny fianarana dihy atolotry ny fikambanana amin’izao fialan-tsasatra izao” hoy i Hasina tomponandraikitra ao amin’ny BTC.
“Misy karazany ny dihy azo hianarana, ny dihy nentin-drazana, ny breaking ary ny dihy fanao amin’ny lanonana. Tsy mifidy sokajin-taona ihany koa satria ireo rehetra tia mandihy no andrasana amin’ny fianarana. Isaky ny sabotsy sy Alarobia folak’andro no fotoana hifanomezana” hoy hatrany ny fanazavana.
Eny amin’ny BTC Ambohimangakely araka izany ny fotoana hifanomezana ho an’ireo te hianatra handihy rehetra. Manomboka anio tolakandro. Tsy voatery ho mponina ao Ambohimangakely ihany no mandary anjara amin’ity fampianarana ity fa misokatra ho an’ny rehetra.
Manitra R.
