France : Vehivavy iray no nohazonina an-keriny nandritra ny 12 taona
Vehivavy iray, 53 taona no nohazonin’ny lehilahy iray an-keriny nanomboka ny taona 2011 tao amin’ny trano iray tao Forbach ao Moselle. Raha ny fanazavana dia nisedra fanolanana sy fampijaliana nataon’io lehilahy voalaza fa vadiny io ilay vehivavy tao anatin’izay 12 taona izay.
Teratany Allemand izy mivady ireo raha ny fanamafisana. Ny alahady teo kosa dia nanafina finday ilay ka niantso ny sampana mpamonjy voina tao Allemagne. Ireto farany no nampandre ny manam-pahefana tao France taorian’izany. Ny alatsinainy vao maraina no nandeha ifotony ireo polisy saingy nandà ny nanokatra varavarana ilay lehilahy voarohirohy ka voatery nosimbaina ny varavarana.
Rehefa tafiditra ao an-trano izy ireo dia nahita vehivavy tao anaty efatra voafefy « grillage », niboridana, nosolaina, tsy ampy sakafo ary naratra. Nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany izy raha nosamborina kosa ilay vadiny 55 taona.
