ActualitésTsidika

Mahazoarivo : Tratran’ny mpitandro filaminana ny mpamaky trano tao an-toerana

Tratran’ny polisin’ny boribori-tany faharoa etsy Ambohijatovo ny lehilahy iray mpamaky trano tao Mahazoarivo. Trano namboariny ihany no voalaza fa novakiany tamin’izany. Efa maro ireo fitarainana voaray mahakasika ny asa ratsy ataon’ity lehilahy ity ka izao tratra izao no nihafarany ary efa nahazo ny sazy taorian’ny fitsarana natao azy.

« Mpanamboatra trano no asa nampanaovina ity lehilahy ity, rehefa vita anefa ny asany dia izy sy ireo namany ihany no tonga namaky ilay trano namboariny. Ireo namany nanampy azy ireo efa voasambotra talohan’ny nahatratrarana azy izao ary efa mipetraka ny sazin’izy ireo taorian’ny fitsarana natao » hoy ny avy amin’ny fitandroana ny filaminana.

« Tsy vao izao no nisy tranga toa izao ary matetika efa mpamerin-keloka ireo tratra fa tsy mbola fay. Tsy hoe ny karama omena azy ireny no tsy ampy fa izay ilay hoe tanana efa zatra mitsotra ka tsy afaka mivonkona intsony. Any am-boalohany tsy maintsy misy ny fifanarahana karama eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa saingy izay ilay fitiavan-kely » hoy i Hery, raim-pianakaviana monina ao Mahazoarivo.

Miseho amin’ny endriny maro tokoa ny asa ratsy ankehitriny, manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra araka izany ny mponina manoloana ny zava-misy, indrindra amin’ny fanaraha-maso ny eny ifotony. Eny ifotony tokoa no tena ahitana karazana asa ratsy mampitaraina ny vahoaka izay tokony handraisana fepetra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire