ActualitésSocialTsidika

Anjeva : Mihena ny vokatry ny tantsaha amin’izao ririnina izao

Anisan’ny fahasahiranana hiainan’ny tantsaha rehefa vanim-potoanan’ny ririnina tahaka izao ny tsy fisian’ny rano. Miteraka akony lehibe eo amin’ny famokaran’izy ireo izany, araka ny voalazan’ireo tantsaha ao amin’ny kaominina Anjeva.

«Efa mahazatra ihany ilay tranga isan-taona, rehefa mangatsika tahaka izao ny andro dia tsy misy ny vilon’omby, tsy ampy ny rano. Vokatr’izany dia mihena ihany koa ny ronono azo, tsy mahavanona ny voly, ny anana maina tsy ampy rano avokoa » hoy i Lanto, mpamboly.

« Anisan’ny teknika hampiarina ho fisorohana ny tena fahasafiranana tanteraka sy fitsinjovana ny biby dia mamboly vilona mihitsy na mitahiry mololo ny tantsaha izay manana tany. Izay hatreto no tena fanao fa tsy misy ny vahaolana maharitra » hoy hatrany ny fanazavana.

Misy akony lehibe eo amin’ny fivelomana araka izany ny fahampian’ny rano ity ho an’ny tantsaha sy ny mpiompy. Ankoatra izay, tsy ampy na mihena ihany koa ny vokatra raisin’ny mpanjifa na tsy araka ny filàny.

Manitra R.

Laisser un commentaire