ActualitésTsidika

Toamasina : Mitohy ny fitadiavana ireo mpandraharaha mpanapoka solika

Tohin’ilay seho fanapohana solika eny amin’ireny tobin-dasantsy ireny dia nitombo iray indray ireo olon-dratsy tratra tao Toamasina. Marihina fa tena mampikolay ireo mponina ao an-toerana mihitsy ny haratsin’ity solika ao an-toerana ity.

Nohamafisina ny fikarohana ka tratra tamin’izany ity mpandraharaha iray ity, tamin’ny fotoana nikarohana azy moa dia nafindrany toerana tany Foulepointe ireo fitaovana sy ireo ambina solika tao aminy ka izao tratra ziao. Mbola tao aminy ny bonbonnes  8 sy barika 1 feno lasantsy, bonbonnes 4  feno pétrole, bonbonnes 8 feno gasoil, ary bonbonnes maromaro rtsy misy ninoninona. Nahitana ihany koa « acide sulfurique » niaraka tamin’izay.

« Tsy vitan’ny hoe ireo ihany no tratra tao aminy fa nahitana basy tsy nahazoana alalana sy bala enina ihany koa tao aminy ary barika 11 isa misy “huile moteur” mampiahiahy. Ireo rehetra ireo no niampangana ity mpandraharaha ity avokoa », hoy ny avy aoa min’ny zandarimariam-pirenena ao Toamasina.

« Fanetriben’ny firenena mihitsy itony olona itony ka mendrika ny higadra. Tsy toe-tsaina Malagasy mihitsy izany mamitaka izany, mila mandini-tena izy hoe tena Malagasy tokoa ve », hoy i Alphonse, mpampiasa fiarakodia ao Toamasina.

Naiditra amponja vonjimaika izy taorian’ny fazandihadiana izay natao azy ka voamarina tamin’izany ihany koa fa mpiara miombon’antoka amin’ireo izay efa voasambotra teo aloha izy ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire