Ampasampito Antananarivo: Tovovavy nikasa hamono tena fa voafitaka ara-pitiavana.
Dépêche 10 octobre, 12h15, Hahavitana zavatra lehibe mety ho tonga hatramin’ny famonoan-tena mihitsy io fitiavana io rehefa tena hatao betsaka loatra. Toy izany no nahazo ity tovovavy ity teny Ampasampito. Raha ny re dia voadonam-pitiavana izy ka nikasa ny hamono tena teo amin’ny faha 25 taonany izao. Voatazon’ireo lehilahy maromaro teo an-toerana ihany moa izy rehefa tena efa sarotra ny nandaminana azy ka avotra soa aman-tsara ihany.
