ActualitésTsidika

Dinika politika : Ho tontosaina ny 18 novambra ho izao ny andiany fahasivy

Ho tanterahina ny faha valo amby folon’ny volana novambara ho avy izao ny dinika politika eo amin’i Madagasikara sy ny Union Européenne. Ny renivohitr’i Madagasikara no hampian-trano izany amin’ity andiany fahasivy ity. Hiompana betsaka amin’ny fampandehanan-draharaha ara-politika sy ny ara-toe-karena ny fifanakalozan-kevitra. Manam-boninahitra sy tompon’andraikitra ambony eo amin’ny firenena roa tonta no handray anjara amin’izany. Fiaraha-miasa izany nisy teo amin’ny firenena roa tonta no nahafahana namolavolana ity dinika ity.Zava-dehibe ho an’ny fanarenana ny toe-karena izay nitotongana nandritra ny fandalovan’ny valan’aretina covid-19 teto amin’ny firenena ny fanomezan-tanana ataon’ny Union Européenne izao. Tsihahivina fa efa maro ireo fotodrafitr’asa izao nahorina vokatrin’ny fiara-miasa nisy teo amin’ny roa tonta nandritra izany dinika andiany valo izay. « Inoana fa hitondra vahaolana amin’izao fidangan’ny vidim-piainana izao izany dinika izany » hoy i Riana, mpianatra. « Maro ireo fivoriambe izao nandraisan’i Madagasikara anjara, indrindra tamin’ity taona 2021 ity, saingy nadamoka hatrany izany. Tsy nisy akony amin’ny fiainan’ny mponina, eny fa na dia amin’ny sosialim-bahoaka fotsiny ihany aza. Zary lasa fombafomba sy haitraitra fitsiny ihany ny fanatanterahina ny fivoriana » hoy i Tojo, raim-pianakaviana. »Anisan’ny tafiditra ao anaty lohahevitra horesahina amin’izany fivoriana izany ny fanajana ny zon’olombelona ka ezahina ho aroso mandritra izany ireo fanontaniana manitikitika sy ireo izay volavolan-dàlana niteraka resabe teny amin’ny fiaraha-monina » hoy ny tompon’andraikitra ara-teknika mikaraka ny fivoriana. Fotoana hanatsarana sy hanamafisana hatrany ireo paik’ady hitondrana fampandrosoana ho an’ny firenena ny fifanan-kalozan-kevitra toy izao. Manana tombony lehibe ny firenena Malagasy manoloana izao fiaraha-miasa izao, noho ny firenena ao Europe, izay tafiditra ao anaty dimy voalohany amin’ny firenena mandroso maneran-tany. Antenaina noho izany ny hisandratan’i Madagasikara indray aorian’ny fanohanana sy fanampianan’ny vondrona Eropena. Hiantehitra amin’ny fanampianan’ny firenen-kafa hatrany ve ny Filoham-pirenena Malagasy amin’ny fampandrosoana ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire